Nosantarina omaly, tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny fanamarihana ny Iray volan’ny fiahiana sosialy izay nifanindran-dalana amin’ny Andron’ ny fianakaviana. Niarahana tamin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, notarihin’ny minisitra, Rakotoniaina Voanginirina Cathia, izany.
Rejisitra sosialy tokana (RSU) no lohahevitra voizina. Mbola maro ireo fianakaviana miady mafy amin’ny fiainana. Fitaovana stratejika amin’ny fampandrosoana io satria manampy amin’ny fampahafantarana mazava ny isan’ireo ankohonana tokony hisitraka fanampiana hisian’ny mangarahara. Tokantrano 7 785 000 no kasaina horaketina anaty RSU manerana ny Nosy.
Ankoatra ny RSU dia manana fandaharanasa lehibe ny minisitera, toy ny Asa avotra mirindra, Vatsin’ankohonana, Asa vonjy voina, Fiavota, izay tafiditra anatin’ny tetikasa Haratonaina, manampy ny ankohonana maro an’isa.
Tsy hadino ireo zokiolona izay arofanina eo amin’ny fiarahamonina. Ireo olona manana fahasembanana sy zaza amam-behivavy izay ahin’ny minisitera avokoa. “Zava-dehibe ny fanomezana hasina ny maha olona ary ny fijoroana eo anilan’ireo marefo sy sahirana”, hoy ny minisitra.
Nisy ny tohana nomena ireo fianakaviana sahirana sy olona manana fahasembanana ary ireo zokiolona, omaly, tetsy Analakely, amin’izao fanamarihana ny Andron’ny fianakaviana izao.
Tatiana A




