Andro iraisam-pirenen’ny Paramedy : Tolotra maimaimpoana maro tao Toamasina

Any Ambovombe Androy no ivon’ny fankalazana nasionaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpitsabo mpanampy ( Infirmier- Infirmiere) eto amin’ny Nosy, raha manatrika an’izany any ivelany kosa ny filoha nasionaly . Tsy diso anjara amin’izany fankalazana makotrokotroka izany ny eto Toamasina ary niavaka tamin’ny fomba fankalazana rehetra teo aloha. Vao maraina, nisy ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny Lachapelle Aumo­nierie des Hopitals nialoha ny fotoana. Asa masina sy sarotra ny asan’ny mpitsabo mpanampy ka nangataham-pitahiana tamin’ilay Nahary. Mazava rahateo ny lohahevitry ny fankalazana hoe : “Ny asan’ny mpitsabo mpanampy dia miasa mamonjy ain’ olona”. Taorian’izay, nisy ny diabe namakivaky ny boulevard Ratsimilaho hatrany amin’­ny toerana malalaka “Parvis” Lapan’ny Tanàna, izay nanaovana ny lahateny isan-karazany no nametrahana tranoheva nanatontosana ny tolotra ara-pahasalamana maro isan-karazany maimaimpoana. Amin’ny ankapobeny, nahaliana ny sarambabem-ba­hoaka izany ka tsy vitsy ireo nirohotra nanao fizaham-pahasalamana. Teo ny fijerena ny tahan’ny siramamy ao anaty vatana. Nisy koa ny fanaovana vaksiny fanefitry ny Impox, ity farany izay nambaran’ny dokotera, Mangazay Michelle, fa efa miakatra ho 20 ny olona arahi-maso amin’izany valanaretina izany eto Toamasina ka hampirisihina ny rehetra hiaro tena sy hiaro ny ankohonany.

Sajo

Partager sur: