Raim-pianakaviana namono tena : Mpianaka niara-maty voahitsaky ny kamiaobe

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina in­dray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa iny, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Ni­seho teo amin’ny amin’ny toerana antsoina hoe : Andriaka, tsy lavitra an’Anjiro, distrikan’i Mora­manga ny loza. Moto iray notaingan’olon-droa no nidona mafy tamin’ny kamiao mpitatitra entana iray teny an-toerana. Avy aty Antananarivo hihazo an’i Moramanga ilay fiara be. Raha nifanohitra tamin’izany ilay kodiaran-droa. Mafy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka maty tsy tra-drano, ireo olona roa teny ambony moto. Izay nahitana raim-pianakaviana, iray, 29 taona, sy ny zanany lahikely vao efa-taona monja.
Raha ny fanazavana voaray, namono tena ilay raim-pianakaviana ary noentina niaraka taminy ny zanany. Tsy nanao aroloha izy nefa nirimorimo mafy teny an-dalana. Nadonany tamin’ilay fiara ny moto noentiny. Efa niezaka niala izany ny mpamilin’ilay fiara fa tsy afaka ka nidona tao, raha ny fanazavana na­taon’ireo nanatri-maso.
Fantatra fa nisy disadisa ary niafara tamin’ny fisarahana teo amin’ilay raim-pianakaviana sy ny vadiny talohan’io tranga, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny manam-pahefana. Efa niakatra teny amin’ny fitsarana ny raharaha ary nahazo rariny hitaiza ny zanaka naterak’izy ireo ilay vehivavy. Tezitra mafy noho izany, ity lehilahy ity ka ho vonoiny miaraka aminy ilay zaza satria mahatonga ny ady lava eo amin’izy mivady. Nanoratra taratasy rahateo izy milaza fa “androany no ahitanareo ahy farany”. Lasa nirifatra tamin’ny moto izy ireo ary izao maty izao.
Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza, ny polisim-pirenena avy ao Moramnaga sy ny misahana ny lozam-pifamoivoizana. Notazomina na­tao andrimaso ao amin’ny BPR Moramanga ny mpa­milin’ny fiarabe nahavanon-doza.

Mino

Partager sur: