Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikarana ny fambolena sy ny fanodidina ny vokatra eto an-toerana. Nivoitra izany nandritra ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Tatamiarisoa Manankoraisina Landry, nandritra ny tsenabe iraim-pirenena eto Madagascar (FIM). « Fotoana izao hanaingana ny toekarena amin’ny alalan’ny fanohanana ireo famokarana eto an-toerana mba hamaliana ny filàn’ny tsena sy hampihenana ny fanafarana entana avy any ivelany », raha ny nambarany. Anisan’ny tetikasa lehibe hanatanterahina izany ny MBIF, iaraha-miasan’ny Minisitera sy ny tetikasa PIC 3. Hojerena ny fomba hanampiana ireo orinasa sy tetikasa ara-pambolena amin’ny alalan’ny tohana ara-bola. Tetikasa tohanan’ny Banky iraisam-pirenena izay mikendry ny famoronana asa sy ny fampitomboana ny vola miditra ho an’ireo tantsaha sy mpandraharaha eny ifotony. Ankilany, mikendry ny hanatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny fambolena ny fandaharanasa Miary. Tanjona ny hahafahan’izy ireo mampandroso ny asany sy mampitombo ny vokatra.
Fanondranana
« Ilaina ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Governemanta, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ary ny sehatra tsy miankina », hoy ny tale jeneralin’ny Indostria, Razafindrazaka Nainanirina, nandritra ny famelabelaran-kevitra momba ny sehatry ny fanondrananana. Nambarany fa ny fananana vina mirindra sy paikady mazava no ahafahana mampandroso ny fanodinana eto an-toerana, manamafy ny fifaninanana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ary mampitombo ny tombom-barotra. Paikady ahafahana mampivondrona ny enti-manana sy hanatsarana maharitra ny sehatry ny fanondranana eto amintsika.
Henintsoa




