Randriamanampisoa Alfred : Voafidy ho filoha lefitry ny Cosafa

Nahazo mpitantana malagasy ny Komity Mpanatanteraka an’ny Cosafa. Lany ho filoha lefitry ny baolina kitra aty amin’ny faritra atsimon’ny afrika, ny mpitantana voalohan’ny federasionina FMF, Randriamanampisoa Alfred.

Notontosaina omaly, tany Harare Zimbaboe, ny fivoriambe ara-potoanan’ny fikambanan’ireo federasionina aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, Cosafa. Voafidy ho filoha lefitra ny filohan’ny Federasionina  malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­manampisoa Alfred. Vaovao lehibe ho an’ny kitra malagasy, ny fanana mpitantana ambony eo amin’ny sehatry ny Cosafa izany. Ny fanontaniana apetraky ny mpankafy kitra malagasy dia hoe : “Hampiakatra ny lentan’ny baolina kitra malagasy ve ity nahalany an-dRandria­ma­nampisoa Alfred, ho mpitantana faharoa ny Cosafa ity”? Tsara marihina fa nandritra ny fitantanan’ity tompondraikitra ity, ny kitra malagasy, dia nandray anjara tamin’ireo ankabeazan’ny fifaninanana nokarakarain’ny Cosafa, ny ekipam-pirenena malagasy. Ani­san’izany ny Cosafa sokajy vehivavy, ny an’ireo zandriny U-17, sy ny U20, teo ihany koa ny zokiny. Ampatsiahivina ihany fa mbola fanamby lehibe ny Federasiona FMF, ny hanatafita ny Barea A, any amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika Can 2027. Nahazo medaly volafotsy nandritra ny Chan 2024, izay natao tany Kenya, Oganda, Tanzania, ny Barea. Ankoatra izay, ho fantatra rahampitso ny anaran’ireo firenena miray vondrona amin’ny Barea, mandritra ny fifanintsanana. Hatao ny 2 jona ho avy io any Rabat Maroc, ny fihaonana ny Barea amin’ireo Lion de l’Atlas Maroc ary ny 8 jona kosa, any an-toerana ihany, ny fifanandrinana amin’i Oganda.

Fitia Randria

Partager sur: