Ikopa : Lehilahy iray mpaka fasika, maty

Lehilahy iray, 22 taona, maty an-drano tetsy amin’ny ranon’Ikopa, manamorona an’Andohatapenaka, teo ampitan’ny Gara routiere, omaly maraina tamin’ny 9 ora tany ho any. Roa lahy no niaraka naka fasika teny amin’io rano io, nanomboka ny maraina, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso. Nandeha lakana izy ireo ary rendrika teny afovoan-drano noho ny habetsaky ny fasika nentin’izy ireo izany ka naha rendrika ny lakana. Nitsambikina avy eny ambony lakana izy roa lahy noho ny faharendrehan’ny lakana nitondra azy ireo. Nahay nilomano ny iray ary nahavita nanavotra ny tenany teny amoron-drano, ka avotra soa aman-tsara. Nilentika tao anaty rano kosa ny lehilahy faharoa ka tsy hita popoka. Tombanana ho tsy nahay nilomano izy, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nisy nahatsikaritra ny zava-nisy ka nampandre ny vondrona mpamonjy voina avy hatrany. Nahazo antso mahakasika ny loza izy ireo tamin’ny 9 ora sy 18 minitra. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza, 18 minitra taorian’ny antso. Natao ny fikarohana ny niharan-doza, ary naharitra teo amin’ny 29 minitra ny fikarohana azy tao anaty rano, izay efa tsy nisy aina intsony. Nambaran’ireo olona nanatri-maso teny an-toerana fa efa mpaka fasika eny amin’io ranon’Ikopa io foana izy roa lahy ireo, isan’andro. “Saingy tsy nampoizina ny zava-nitranga tamin’ity indray mandeha ity izay naharendrika ny lakana kelin’izy ireo”, hoy hatrany ireo mponina. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa efa miha lalina rahateo ny rano, noho ny fakana ireo fasika eny an-toerana. Entanina ny rehetra mba hiantso ny laharana 118 raha vao misy ny loza. Efa eny anivon’ny fianakaviany moa ny razana.

Mino

Partager sur: