Harahina ny fenitra nasionaly sinoa ara-pahasalamana sy fahadiovana, ny GB 2761, amin’ny fanondranana vokatra ara-tsakafo any ivelany. Hanondrana voanjo any Chine i Madagasikara, hanomezana tombontsoa ny mpamboly.
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA) sy ny masoivohon’i Chine. Mifantoka amin’ny fanondranana voanjo, karazana «Arachis hypogae», avy aty Madagasikara mankany amin’ity firenena ity izany, mifanaraka amin’ny lalan-tsain’ny Fikambanana iraisam-pirenena mahakasika ny varotra (OMC). Hita ao anatin’izany ny fanajana ny fenitry ny firenena sinoa ara-pahasalamana sy ara-pahadiovana, ny GB 2761. Miainga any amin’ny fomba fambolena, ny kalitaon’ny nofon-tany, ny karazana kojakojam-pamokarana ampiasaina (zezika, masomboly, sns), ny lafiny fahasalaman’ny vokatra, ny fikarakarana, ny fitahirizana, ny fitaterana, sns. Voarakitry ny Fenitra iraisam-pirenena ara-pahasalamana (NIMP) ireo. Hentitra ny fanaraha-maso ataon’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisitera, ny fitantanana ny fiarovana ny zava-maniry (DPV) ary ireo rantsa-mangaika samihafa voakasika. Hapetraka ny lamina manokana mitohy momba ny rohim-pihariana rehetra. Tanjona ny hamantarana ny dingana sy ny lalana rehetra niavian’ny voanjo, hatrany amin’ny fahatongavany any amin’ny mpanjifa, any Chine.
Tombontsoan’ny mpamboly
Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavintan-tena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan, fa tena tsinjovina amin’ity fifanarahana ity ny tantsaha mpamboly voanjo. Aoka mba ho izy ireo no hisitraka tombontsoa fa tsy ho ny mpanelanelana na ny mpanangom-bokatra. Izany hoe, hifanaraka mivantana amin’ny tantsaha ny sinoa mpandraraha, ka hihatsara ny vidiny. Hanara-maso akaiky izany rahateo ny fanjakana. Hampazoto ny mpamboly hamokatra bebe kokoa ary hiteraka asa eny ifotony izany, indrindra ho an’ny tanora.
Njaka Andriantefiarinesy




