Vokatra fanondrana : Tsena vaovao ny mankany Chine

Zava-dehibe ny fikarohana tsena vaovao ho an’ireo vokatra fanondrantsika toy ny lavanila, kafe, voanjo ary hena. Nivoitra izany nandritra ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana sy ny masoivohon’i Chine, miasa eto Madagasikara, Ji Ping. Voaresaka ihany koa ny fampitomboana ny fanondranana amin’ny vokatry ny fambolena eto Madagasikara mankany an-toerana. Tsiahivina fa nofoanan’i Sina ny haban-tseranana ho an’ireo vokatra afrikanina miditra any an-toerana, voakasika izany i Madagasikara. Vinam-pirenena ny hampitombo ny vokatra an-dranomasina, ny zava-manitra, ny lavanila, ny lohamenaka ahondrana. Tafiditra ao anatin’izany koa ny vokatra ara-pambolena voahodina sy vokatra sasantsasany avy amin’ny sehatry ny lamba sy ny indostria.
Miantoka ny fivelaran’ny Fifanakalozana ara-barotra izany, saingy tokony hanaraka ny fepetra takin’ny fanondranana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny vokatra malagasy miditra any. Tanjona ny hampiroboro ny toekarena eo amin’ny firenena roa tonta sy hanitarana ny tsenam-panondranam-bokatra.

Henintsoa

Partager sur: