Hanomboka amin’ny alakamisy 21 mey 2026 ho avy izao ny fandraisana ny fangatahana vaovao momba ny Fanomezan-dalana manokana fari-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany na «Autorisation exclusive de réservation de périmètres» (AERP) sy ny Fahazoan-dalana vaovao. Nanomboka omaly ny fampahafantarana sy tantsoroka, manerana ny biraom-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny BCMM rehetra, azo hatonina mahakasika ny dingana arahina.
Nanomboka ny volana marsa teo ny fanarenana ny lalana RNS41, miainga eo Ikelikampona, RN7, akaikin’Ambositra, mandalo an’i Sandrandahy, mipaka any Fandriana. Mirefy 42 km ity lalana ity, izay vita godirao tany aloha, saingy efa maro ny fahasimbana, ahitana lavadavaka, simba ny velaran’ny arabe, ny lakandrano, sns. Efa an-taona maro no nanomezana toky fa hatao ity lalana ity saingy tsy natao mihitsy. Nanara-maso ny fizotry ny asa tany an-toerana ny minisitry ny Asa vaventy, Rafefimanana Sambilason, ny faran’ny herinandro teo.
Mihoatra ny 50 000 ny mpianatra efa nivoaka tao amin’ny EBEM, Sekoly fiofanana ho tantsambo any Mahajanga, niorina tamin’ny taona 1962. Nasongadin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Andrianavalona Herizo, nandritra ny fitsidihany tany an-toerana, ny 15 mey teo, fa tafiditra tsara ao anatin’ny politikam-panjakana ny fanomezana asa ny tanora. Ho hamafisina ny fiaraha-miasa amin’
ireo sambo lehibe, mba hiantraika mivantana amin’ireo mpiofana ka afaka miasa avy hatrany.




