Miroso ny asa fanarenana ireo fotodrafitrasa ao amin’ny CHU Analakininina, Toamasina. Mandeha ny sampandraharaha rehetra ao aminy, araka ny fitsidihana nataon’ireo tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Ankoatra izay, nizotra tao amin’ny Ifirp sy ny CHU Morafeno Toamasina ny delegasionina notarihin’ny tale kabinetra sy ny mpanolotsaina ary ireo tomponandraikitry ny fahasalamana any amin’ny Faritra Atsinanana. Mitohy ny asa fanarenana ireo simba rehetra, anisany ny fandehanan’ny sampandraharaha fanaovana “scanner” sy ny “radiographie” izay efa miasa amin’izao fotoana izao. Ho vita tsy ho ela ihany koa ireo asa fanamboarana rehetra ao aminy. Natao ho laharam-pahamehana ireo asa fanarenana rehetra ao amin’ny hopitaly, hahafahana manarina ny simba rehetra sy hanatsara hatrany ny fandraisana sy ny fikarakarana ireo marary. Mpiara-miombon’antoka ny OMS, ny Banky iraisam-pirenena ary ny Unicef.
Harenina koa ny biraom-paritry ny ACSSQDA sy ny ivontoeram-piofanana Ifirp. Vao vita orina ary notokanana tamin’ny fomba ofisialy andro vitsy monja nefa ravan’ny rivodoza ireo fotodrafitrasa ireo.
Ankoatra ny fanarenana ny fotodrafitrasa simban’ny rivodoza, nisy koa ny fanolorana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo CSB ao Toamasina I sy II.
Notanterahina tao amin’ny DRSP Atsinanana- Hopitaly Kely ny fanolorana fanampiana avy amin’ny BNGRC, ho fanohanana an’ireo tobim-pahasalamana voakasiky ny rivodoza Gezani tao amin’ny distrikan’i Toamasina I sy II. Ahitana vary sy voamaina, sira, savony, “biscuits”, fitaovana fanadiovana rano, siny misy robinet, kidoro sy lamba ary sakafo isan-karazany ireo fanomezana natolotra.
Vonjy




