Fikambanana Asmae : Nahomby ny tetikasa “Ankizy”

Tsara ny vokatra azo nandritra ny 9 taona nisian’ny tetikasa “Ankizy”, tohanan’ny fikambanana Asmae (Association sœur Emmanuelle). Tetikasa niompana tamin’ny fampiroboroboana ny fampiatiana ny fanabeazana sy ny ara-tsosialin’ny ankizy. Nivoitra tao anatin’izany ny fomba fanao tsara sy mendrika halain-tahaka. Paikady nampandraisana anjara ireo akany fi­beazana sy ivontoerana samihafa mpiara-miasa amin’ny Asmae. Mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa ihany koa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. “Hifara­na ny volana jona izao ny tetikasa, nisy ny vokatra azo tsapain-tanana mihodidina ny fampiatiana natao”, hoy ny tomponandraikitry ny Asmae Ma­dagasikara, Andriamiarana Vato­soa Rehareha. Manavanana ny fikambanana ny manome tantsoroka ara-teknika sy ara-bola ireo akany fibeazana. Napetraka tamin’izany ny fomba fandraisana ny ankizy, nomena fampitaovana ny mpianatra, nomena traikefa mifanaraka amin’izay koa ny mpampianatra, raha ny fanazavana hatrany. Nohamafisina tamin’ity andiany ity ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny lafiny fiarovana sy ny manodidina izany. Nampahafantariny an’ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka samihafa ny andraikitry ny tsirairay amin’ny fanabeazana ny ankizy. Ankehitriny, afaka mandeha amin’ny heriny manokana ireo akany mba hahafahany mizara sy mivelatra ary mampahafantatra ny zavatra azony tao anatin’ny tetikasa. Tsiahivina fa niforona tany Frantsa, ny taona 1980, ny fikambanana Asmae ary tonga teto Madagasika ny taona 2009.

Henintsoa

Partager sur: