Indray mijery

Manohy ny fandaminana ireo tsena sy mpivarotra eto Antananarivo ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, tarihin’ny PDS. Hiditra amin’ny fandaminana ny tsenan’Isotry sy Anatihazo ary Ambalavao indray ny ekipa. Efa nisy ny filazana sy fampitandremana mialoha ho an’ireo mpivarotra amin’ireo toerana ireo. Halalahana ny arabe satria tsy an’ny mpivarotra.

Efa miditra amin’ny fotoana hanaovana famoran-jaza izao eto Madagasikara. Toromariky ny dokotera ny tokony hamantarana ny toe-batan’ilay zaza mialoha ny hidirana amin’ny famorana mba hampandeha tsara ny fandidiana. Anisan’izany ireo zaza hémophile na mijininika ra. Tena saro-pady ary mety hahafaty raha tsy fantatra mialoha.

Rakotonirainy Bodo, Malagasy voafantina handray anjara amin’ny fandaharanasa Access Exchange Program. Fiofanana sy fampiroboroboana ny fikambanana mpampianatra teny anglisy no hataony any Etazonia, mandritra ny 13 herinandro. Hanatrika ny fihaonamben’ny mpampianatra teny anglisy ao Massa­chusetts ihany koa izy.

Partager sur: