Fivadiham-pitokisana : Vadina mpanakanto iray nisoloky 30 tapitrisa Ar

Niakatra teny anivon’ny fitsarana, afakomaly, ny raharaha fivadiham-pitokisana nataona vadina mpanakanto malaza iray ka nisolokiany 30 tapitrisa Ar. Renim-pianakaviana iray, 70 taona, no voasolokiny tamina fividianana tany mirefy 1 100m² tetsy By-Pass, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpisolovava ilay niharan’ny fisolokiana. Nambarany fa nosoratany tao anatin’ny taratasy fifampivarotana teo amin’ny roa tonta fa 8 tapitrisa Ariary ihany no hosoratana mba hanamorana ny hetra aloha. Nolazaina tamin’izany koa fa afaka telo volana vao vita ny « mutation ». Tsy azo anefa ny taratasy rehetra efa-bolana taty aoriana. Fantatra fa efa namidin’ilay mpisoloky tamin’olon-kafa ilay tany ny volana janoary sy ny jona 2025.
Nitory ilay renim-pianakaviana ka nidoboka vonjimaika am-ponja ilay mpisoloky ny 5 mey 2026 lasa teo. Nambaran’ny mpisolovavan’ilay voasoloky fa nisy olom-boafidy nanafaka azy tany am-ponja, roa andro taorian’izay. Natao teo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana izy nanomboka ny 7 mey lasa teo. Mitaky ny hivoahan’ny marina sy ny hisian’ny valim-pitsarana madio sy mangarahara, araka izany, ny mpisolovava sy ny mpitory. Nitarika tsy fahasalamana ho an’ilay ramatoa voasoloky ny fisolokiana nahazo azy.

Mino

Partager sur: