Lehilahy miisa roa voasambotry ny zandary tao Mahitsy, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Tratra nangalatra kisoan’olona tao Avaraparihy, fokontany Ambohitsilaizina, kaominina ambanivohitra Mananjara izy ireo. Nanao ny fikarohana ny zandary ka tratra teny am-pitondrana izany ireto olon-dratsy ireto. Nentina nanaovana fanadihadiana izy ireo.
Lehilahy iray hita faty feno ratra sy ra, tao amin’ny fokontany Amparafaratany, kaominina Analavory, afakomaly. Hitan’ny fokonolona nitsirara tamin’ny tany izy io ary nahitana ra nihosona tamin’ny akanjony. Nampandre avy hatrany ny lehiben’ny fokontany sy ny tomponandraikitry ny filaminana avy hatrany ireo mponina ao an-toerana. Noratraina tamin’ny zava-maranitra ny tendany ary nisy ratra lehibe koa teo amin’ny lohany.




