Raha atao indray mitopy maso, toa mazava ny lalan-kizoran’ilay Madagasikara. Endrey izato firantirantiana any ivelany. Tena manambaka ireo firenen-kafa tsy mba nahitan’olana. Mahazo ny haja sy voninahitra, tsy misy toa izany, tena manao be ilay Tetezamita. Tsy mitavozavoza ry Ramiaramila isany. Manambaka ny mpitondra nandatsaham-bato tamin’ny fifidianana. Tena milamina tokoa satria nosafidian’ny ampaham-bahoaka teny an-dalambe. Tsy azo lazaina ho tsy mamim-bahoaka tokoa. Maminy matoa tafapetraka eo, tsy misy afa-manohitra.
Na izany aza, misamboaravoara ihany ilay Madagasikara. Ny loza manambana efa mivadika hitatao dia ity samy tantsambo toa mifanipaka an-toerana. Tsy lavitra fa ao anatiny ihany no misy mpamosavy malemy. Mody tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany. Ny ady mangatsiaka ateraky ny fifamoterana moa efa tsy takona afenina. Ny sasany milaza izatsy, ny hafa manonona ny eroa. Misy ny miteny ho mianavaratra, ny hafa mandrirotra mankany atsimo. Manao valala an-karona ry misy galona sy ny tsy manana. Angaha hita! Fa manao izay mahafinaritra azy fotsiny avokoa.
Mila mahay mandamina malaky ny lehiben-tsambo. Mila miara-mirona ny mpanamory rehetra. Tsy ho moramora ny fifehezana an’io raha mivadika ho rivodoza ny ambana andro ratsy. Efa iraha-mahita ny vaovao miely fa mitady hifamono hoe ny maramara. Efa tsy takona afenina ny mpiray trendro amin’ny volomboasary na ny “forongony”. Tsy moramora ny mamongotra ireto farany, hatreto. Mbola izy mianakavy no tompon-toerana sy tompon’ny laka amin’izao fotoana izao. Mbola mitazona ny ankamaroan’ny andraikitra ambony sy fanapahan-kevitra stratejika.
Resaka aloha hatreto ny fanovana fa fanovanana no misy. Fanohizan-draharaha no tena marina eto amin’ny tanàna. Tsy misy fanavahana olona na rafitra. Fanamafisan-tseza no bobaka!
r.r




