Spat Toamasina : Nampiakarina ho 5 000 ny zana-kazo nambolena

Eo anelanelan’ny 1 500 hatramin’ny 2 500 isan-taona ny zana-kazo ambolen’ny orinasa Spat (Société du port à gestion autonome de Toamasina), mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Mitsinjara roa ny toerana hanatanterahina izany, any amin’ny Faritra arovana Ivoloina sy any Brickaville. Karazana hazoala sy zanatany no hambolena. Manodidina ny 50 hatramin’ny 80 ny mpiasa manatanteraka azy, tarihin’ny departemanta sosialy. Fambolen-kazo voalohany nandraisan’ ny tale jeneraly vaovao, Randriambahoaka Heritiana Anicet anjara, ny tamin’ny sabotsy 16 mey teo, tany Ivoloina. Montsana ny zava-bita, satria, nampiakarina avo roa heny ny isan’ny zana-kazo nambolena, miisa 5 000 tamin’ny velaran-tany 280 ha. Nomarihiny fa hampitomboina ho 10 000 isa indray izany amin’ny taom-pambolen-kazo manaraka. Zana-kazo zanatany ny 5 000 amin’io, ary fihinam-boa ho an’ny 5 000 ambiny, mba ho sakafon’ireo biby ao anaty valanjavaboahary, sady ho fidiram-bolan’ny mpitantana ao an-toerana.
Nilaza ny tomponandraikitra fa mandany legioma 9 taonina isan-taona ny sakafo omena ny biby ao amin’ny Valanjavaboahary Ivoloina, taorian’ny rivodoza Gezani, satria maro ny zavamaniry simba, raha 6 taonina izany tany aloha.

Sajo

Partager sur: