Mivoatra tsy miato ny tontolon’ny fitsaboana maneran-tany. Singa iray lehibe mampihodina ny asa ny infirmiera satria mifampikasoka mivantana amin’ny marary. Tokony haharaka ny fivoarana izy ireo ka mila fiofanana mamaly ny filana.
Nanambara ny filohan’ny Holafitry ny infirmiera eto Madagasikara (Onim), Andrianarison Botosera Jean Aimé, fa ilaina ny fanavaozana ny fiofanan’ny infirmiera eto amintsika. Nandritra ny fivoriana afrikanina momba ny siansa sy ny asa mifototra amin’ny fahasalamana iraisam-pirenena tany Kigali (Rwanda), ny 4 ka hatramin’ny 6 mey lasa teo, no nilazany izany. Zava-dehibe ny fitondrana fanavaozana momba ny votoatim-panofanana hanaraka ny fivoaran’ny toetrandro. Satria, tsapa fa tara i Madagasikara raha oharina amin’ny fenitra iraisam-pirenena. “Tsy vitsy koa ireo infirmiera malagasy misehatra amin’ ny asa fitsaboana any ivelany ka rariny raha hirosoana ny fanavaozana”, hoy izy.
Tsy mamaly ny filan’ny tontolon’ny fitsaboana maoderina intsony ny fandaharam-panofanana sy fampianarana ho an’ny fanofanana infirmiera eto amintsika. Manana paramédicaux nahavita ny doctorat sy profesora agrée maro isika afaka hisahana ny fanofanana, hitondra kalitao ambony kokoa sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.
Manan-danja ho an’ny asa fitsaboana ny infirmiera satria izy ireo no mandray voalohany ny marary amin’ny sampam-pitsaboana rehetra. Antoka iray mampandeha ny tolotra samihafa ny fisian’izy ireo ka ilaina ny fivoarana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Noho izany, mety kokoa raha mametraka fakiolte iray manokana hisahana ny fanofanana ny infirmiera eto Madagasikara fa tsy hitambarana amin’ny fakiolten’ny Fianarana ho mpitsabo intsony. “Izay no antoka mahomby fa hiroso amin’ny fivoarana takin’ny vaninandro sy ny fenitra afrikanina sy iraisam-pirenena ny fanofanana atolotra azy ireo”, hoy ihany ny filohan’ny Onim.
Vonjy




