Ofnalat : Marolafy ny ady amin’ny fifohana sigara

Marihina isan-taona, isaky ny 31 mey, ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky. Nanazava ny talen’ny Ofnalat, Ralibera Jerisoa, fa maromaro ny hetsika fanamarihana ary efa nisy ny varavarana misokatra nanomboka omaly, etsy amin’ny ivontoerana iadiana amin’ny fiankinandoha amin’ny sigara eny Itaosy.
Nisy ny fanentanana amin’ny ady amin’ny fifohana sigara sy paraky. Noraisina an-tanana ireo tratran’ny fiankinandoha ary noraisina an-tanana ireo maniry hiala amin’ny vahohon’ny zavamahadomelina.
Lohahevitra voizina amin’izao fanamarihana izao ny hoe: “ndao hiady amin’ny fiankinandoha amin’ny nicotine”, hiady amin’ny paraky sy fifohana sigara, izay hatao any Antsiranana ny fanamarihana.
Maromaro ny hetsika ary misy ny fifaninanana ara-panatanjahantena arahina fanentanana izay manampy betsaka amin’ny ady amin’ny zavamahadomelina indrindra ho an’ny tanora.
Misy dokotera mandray ireo olona tratran’ny fiankinandoha ary hizara fanafody ialana amin’izany izy ireo. Hisy ny tolotra ara-pahasalamana samihafa mifanindran-dalana amin’izany.

Tatiana A

Partager sur: