Cash point voatafika : 8 tapitrisa Ar voaroba, jiolahy roa voasambotra

Niharana fanafihana mitam-piadiana ny lehilahy iray mitazona Cash point tetsy Andraharo, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Hiditra hiasa maraina toy ny mahazatra izy no nisy lehilahy miisa dimy, nirongo fitaovam-piadiana nanambana azy tamin’ny basy sy antsy. Nosintomin’izy ireo, tamin’izany, ny kitapo iray feno vola mitentina 8 tapitrisa Ariary, niampy finday efatra. Lasa nitsoaka tamin’ny moto, nihazo an’Ambo­hi­manarina, ireo olon-dratsy taorian’ny asa ratsy nataony. Nanaraka sy nanenjika azy ireo avy aty aoriana ny mponina taorian’ny antso vonjy. Nahazo antso mahakasika ny tranga ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny CSP6 etsy Ambohimanarina sy ny avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) etsy Tsaralalàna ka tonga haingana nidina ifotony. Raikitra ny fisamborana sy fanenjehana ireo olon-dratsy. Vokany, voasambotry ny polisy sy ny mponina ny roa tamin’ireto farany (23 sy 41 taona), raha toa ka tafaporitsaka niaraka tamin’ny vola sy ny finday ny telo ambiny. Nianjera avy eny ambony moto ny iray tamin’ireo olon-dratsy ary naratra mafy nodarohan’ny olona rehefa azo, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso ny zava-nisy teny an-toerana. Ankoatra izay, mbola nahitana basy poleta iray sy antsy iray teny amin’izy ireo, nandritra ny fisavan’ny polisy. Nentina nanaovana fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny Polisy izy ireo, taorian’izay. Mbola mitohy ny fikarohana ireo tafaporitsaka.

Mino

Partager sur: