Nofatorana tamin’ny akanjo teo amin’ny tendany, naolana ary nariana tao anaty ala kininina ny tovovavy iray hita faty teny Iavoloha, kaominina Andoharanofotsy, distrikan’ Atsimondrano, afakomaly. Naharay antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny zandary miasa ao an-toerana, ny 19 mey teo, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Misy olona tsy misy aina intsony hita mitsirara anaty kirihitra. Tovovavy manodidina ny 20 taona io namoy ny ainy io. Nidina ifotony nanao fizahana ny vatana mangatsiakan’io olona io ny mpitsabo. «Nofatorana tamin’ ny akanjo ny tendany ary voaolana izy», araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimaria. Nahitan’ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII Ambohijanaka ratra ny faritry ny tongotra sy ny oron’io tovovavy io. Rovitra ny saron-kenatra teny an-kodiny ary nisy ratra koa ny tanany havia sy havanana. Tsy fantatra ny nahavanon-doza nahavita io fanolanana niharo vonoan’olona io, hatreto.
Tsy nahitan’ny tomponandraikitra taratasy nirakitra ny mombamomba azy teny amin’io olona hita faty io. Nanao akanjo mavokely sy pataloha miloko mena io tovovavy namoy ny ainy io. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo sy ny fanadihadiana savaranonando nataon’ ny mpitandro filaminana, nentina nihazo ny tranom-patin’ny HJRA io vehivavy io. Tsy nisy nahalala azy rahateo teny amin’ny manodidina ny toerana nahitana ny vatana mangatsiakany. Nanokatra fanadihadiana momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.




