Mamono tena

Mafy ny fiainana! Tsy antony hanaovana sorona ny tena anefa izany. Mahonena ny mahita ny fianakaviana nilaozana noho ny “fitiavan-tena”. Marina fa mijaly, saingy efa iarahan’ny olon-drehetra mizaka  ny fahoriana. Iza no tsy mijaly ara-pitiavana fa mety manafina fotsiny. Jereo anie fa raha ny antontan’isa izao dia milaza indray fa vehivavy enina ho an’ny lehilahy iray. Izany no fitombon’ny zanakolombelona.  Sarotra be na ho an’ny olona “masina” aza no tsy hanota amin’izany. Maika moa fa na ny mijery fotsiny aza, hono, efa mijangajanga, hoy ny Baiboly. Izany ve no amparary saina ny olombelona. Mila mahay mamaky tsara izay havoakan’ny natiora.
Tsy ny vehivavy ihany no lasibatry ny olam-pitiavana fa na ny lahy koa aza. Tsy misy ny mahafapo na tonga lafatra tanteraka izany. Misy foana ny indrokely, ka mila mahazaka ny rivotra entin’ny fiarahamonina.  Ny olana efa misy, tokony tsy ho ampiana olana. Ny vahaolana dia ny fahafahana mizaka ny dona ara-tsaina aloha. Mila ampandeferina ny fo. Tsy indray mandeha no manta vary ka handevin-tsotrobe, hoy ny ohabolana malagasy.  Iray ve no lasa dia haninjitra hanidy salaka? Mila manana fijery miabo foana amin’ny fiainana. Tsy misy olana tsy azo vahana izany. Na kristianina na tsia dia tadidio ity: ” Tsy mampitondra izay tsy zakantsika Andriamanitra”.
Inona izany no hisotroana toaka na hidorohana zavatra hafa?  Ao anatin’ny tsirairay avy no vahaolana. Mainka mandrehitra fihetseham-po ny zava-mahadomelina na fanafody. Manginy fotsiny ny aretina na tarazo sy takaitra tavela. Mampivarahontsana ny zava-misy ankehitriny, firifiry no matin’ny loza vokatry ny hamamoana. Mivarilavo ka mamono tena ankolaka. Maty anaty fijaliana indroa miantoana, moa tsy afobe mivantana! Na lahy na vavy, mila famolahan-tena miala amin’ny toe-tsaina resy tsy miady.  Betsaka ny antony mahatonga ny famonoan-tena saingy tsy ireny no hivariana lavo na hitotonganana.
Ny hifampizarana sy hitondrana teny indraimbava dia ny fifanohanana hisorohana ny famonoan-tena. Raha mila tohana, tsy tokony hihafahafa mangata-bonjy. Ny olona mahatsikaritra ireo marefo, tsy tokony hihafahafa ny hanolo-tanana sy manontany.  Ny fifampihainoana sy ny fifanampiana no zava-dehibe ahafahana misoroka ny voina iniana atao tahaka izao. Samy tomponandraikitra ny tsirairay na ny manan’olana na ny mpamaha olana.

r.r

Partager sur: