Tsy mety foana ny andiam-balala, saingy misy ny fomba mahomby hiadiana aminy. Mihena tsikelikely ny velaran-tany ahitana azy. Tanjona ny paikady fisorohana ny fitomboany.
Misahana ny ady amin’ny valala ny Ivontoerana Famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Manohana ara-teknika azy ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo (FAO), ary mamatsy vola ny Banky iraisam-pirenena (BM). Maharitra 4 taona ny fandaharanasa (2024-2028) tanterahina. Nivoatra be ny zava-misy nanomboka ny novambra 2025 hatramin’ny avrily 2026. Nahatratra 6 000 ha ny velaran-tany voatondraka fanafody tany Ihorombe. Nitombo ho 25 000 ha ny desambra, fotoana nilatsahan’ny orana. Nitotaly 129 000 ha ny janoary sy febroary 2026, tany Atsimo Andrefana, Androy, Anosy ary Menabe. Nihena ny rotsakorana nanomboka ny avrily, ka nihena ihany koa ny velaran-tany niasana. Raha aravona, nahatratra 230 000 ha ny velaran-tany voatondraka fanafody, ny taona 2025-2026 hatramin’ny avrily 2026.
Nambaran’ny minisitry ny Fambolena, Ramindo Gaëtan, omaly, nandritra ny tatitra natao, fa voafehy ny ady amin’ ny valala, ankehitriny. Mitohy ny ezaka, sady ampy ny fanafody sy ny fitaovana. Efa hafarana sahady ny fanafody ho ampiasaina amin’ny taona 2027. Ho avy tsy ho ela koa ny fiara tsy mataho-dalana “4×4”, miisa 4, moto miisa 10, hampaisain’ny IFVM amin’ny ady an-tanety. Helikoptera iray sisa no ampiasaina, raha 2 teo aloha. Eo koa ny fampitaovana niomerika sy ny «drônes». «Tanjona ny tsy hoe miady amin’ny valala isika, fa mifehy ny valala», hoy ihany izy.
Fiaraha-mientana ifotony
Mirindra tsara koa ny fanentanana sy ny fandaminana ny asa iarahana amin’ny tomponandraikitra eny ifotony, toy ny rantsa-mangaikan’ny minisitera, ny mpitandro filaminana, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, sns. Marihina fa tsy azo atao mihitsy ny mikasika ny voly sy ny toerana voatondraka fanafody. Tsy azo kasihina sy ohanina ihany koa ny valala voatondraka fanafody.
Njaka Andriantefiarinesy




