Misokatra amin’ny fiaraha-miasa any ivelany i Madagasikara, hiantohana ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny indostria. Vonona hanangana orinasa sy ozinina maro eto amintsika i Chine. Mila antoka kosa ny fiarovana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana. Nivoitra izany rehetra izany nandritra ny dinika niarahan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, Raharimanjato Ny Riana Nampoina sy ny masoivohon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine miasa eto Madagasikara, Ji Ping. Fihaonana natao hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra ara-taozavabaventy. “Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny minisitera, indrindra eo amin’ny fampiroboroboana ny taozava-baventy”, hoy ny minisitra. Nambarany fa efa misy ny ezaka nahafahana manatratra ny tanjona, toy ny fanafainganana ireo dingana ara-panjakana amin’ny fananganana orinasa eto Madagasikara. Eo koa ny fiantohana sy fiarovana ireo mpandraharaha sy mampiasa vola.
Famokarana
Voaresaka manokana ny famokarana siramany ao Ambilobe mba hanatsarana ny fanodinan’ny orinasa sy hiantohana ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny roa tonta. Ankilany, vonona hanolo-tanana maharitra sy hanolotra asa mivaingana ho an’i Madagasikara i Chine hampandrosoana ny toekarem-pirenena. Manasa sahady ny delegasionin’ny minisitera ho any Chine ity masoivoho ity mba hitsidika ozinina sy orinasa ara-taozavabaventy any an-toerana, amin’ny volana aogositra.
Henintsoa




