Volana vitsy taorian’ny nialan’i John Douaglin, nanendry mpanazatra vaovao ny Federasionina malagasin’ny basikety dia i Mickael Pivaud, hisahana ny fanazarana ny Ankoay, sokajy lehilahy, eo amin’ny basikety 5×5. Nambaran’ny filohan’ny FMBB, Ramaroson Jean Michel izany, omaly, teny amin’ny foiben’ny federasionina. Manomboka amin’ny fanomanana amin’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany no handray ny asany ity mpanazatra vaovao ity. Eo amin’ity taranja ity, hanainga ny zoma 29 mey izao hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany “Fiba 3X3” ny Ankoay, lahy sy vavy, izay hatao ny 1 hatramin’ny 7 jona izao, any Warsaw Pologne. Anatin’ny fanomanan-tena tanteraka amin’izao ny ekipa malagasy ary miandry ny fanohanana avy amin’ny fanjakana. Mbola maro ny fandaharam-potoana miandry ny federasionina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ato anatin’ny roa volana, na ny fifaninanan izany, na ny lafiny fiofanana.
Mi.Raz




