Vao nivoaka ny fonja… : tratra nangalatra kojokojana moto indray ireo jiolahy

Tsy mety fay mihitsy ! Hiverina eny amin’ny toeram-ponenany eny am-ponja indray ireto jiolahy tratran’ny polisy ireto. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Anta­ni­nandro teny Mascar Andra­voahangy, omaly, ny jiolahy roa voarohirohy tamina halatra kojakojana moto. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisy, tokony ho tamin’ny 9 ora sy 30 mn, nahatsikaritra fihetsika hafahafa ataon’ireto jiolahy ireto manoloana ny toerana fiantsonan’ny moto eo Mascar Andravoahangy ny polisy miasa eny an-toerana. Nanao fanaraha-maso ireto jiolahy ireto ny polisy. Vokany, tratra teo am-pangalarana kojakojana moto izy roa lahy. Nikasa handositra izy ireo rehefa nahita ny polisy nanatona azy saingy tsy afa-niala intsony. Rehefa natao ny fisavana azy ireo, nahitana lame fandidiana sy kojakojana fiara marika Hyundai Galoper iray ary “certificat de mise en liberté” iray teny amin’izy ireo. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa vao nivoaka ny fonja ny iray amin’izy ireo. Mitohy ny fanadihadiana ireto jiolahy ireto, mialoha ny hanolorana azy ny fampanoavana.

Jean Claude

Partager sur: