Fitakiana fisotroan-dronono : Miantso fifampiresa­hana ny minisitera

Valin-kafatra. Nitondra fanazavana manoloana ny fitakiana ny fisotroan-dronono sy fanomezana fe-potoana 48 ora ny fitondram-panjakana ny minisiteran’ny Foloalindahy, omaly, tao Antsirabe. Nitondra fanazavana sy niantso fifanatonana ny minisitra, ny Jly Razafitombo Maminirina. « Tsy ao anatin’ny kitapombolam-panjakana izany ary tsy zon’izy ireo », hoy izy. Notsiahiviny fa nanome tambiny ny mpiasam-panjakana ny fitondrana tamin’ity taona ity. Nanapa-kevitra avy eo ny amin’ny tokony hanomezana vola, mitovy sanda amin’ny fandray telo volana, ny zokiolona eo anivon’ny Foloalindahy, araka ny nambarany. « Aleo mifampiresaka raha misy tsy mazava ahafahana miteny fa tambin-karama telo volana ihany iny », hoy izy.
Niaka-dapa teny Ambohitsorohitra izy ireo, afakomaly naneho ny fitakiana. Nitokona teny amin’ny minisiteran’ ny Foloalindahy, Ampahibe, koa nialoha izay. « Tsy afaka ny hiandry intsony izahay fa efa ela loatra ny niandrasana nefa voarirarira hatrany », hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: