Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ilay raim-pianakaviana nanindrona antsy ny renin-janany sy ny zanany vavikely miisa roa, tao amin’ny fokontany Tsararano ambany, kaominina Mahajanga. Nisaraka nandritra ny efa-bolana izy mivady ka nifindra nonina tany amin’ny rahavaviny ilay renim-pianakaviana sy ny zanany, hoy ny loharanom-baovao. Tonga tampoka tao amin’io trano nisy ny vady aman-janany io ilay rangahy, ny harivan’ny talata 19 mey teo. Notereny hody any aminy ilay ramatoa sy ny zanany roa, saingy tsy nanaiky. Nitohy ny fifandirana. Nampiasa herisetra ilay lehilahy ka nanenjika ilay vehivavy. Narahin’io lehilahy io anefa ilay vadiny ka nolerany antsy. Nandositra ny zanak’izy ireo lahy sady niantso vonjy tamin’ny manodidina. Nidin’ ilay lehilahy ny trano ka notsindrominy antsy koa ireo zanany roa vavy. Nifandrimbona ny iray tanàna ka nanavotra ilay renim-pianakaviana sy ireo zaza. « Voa teo amin’ ny tratrany sy tao amin’ny hatony ilay ramatoa. Voa teo amin’ny tendany sy ny faritry ny fitombenany ireo zaza roa », hoy ny fanazavan’ny nanatri-maso. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ireo telo mianaka ny harivan’io talata 19 mey io. Mandray an-tanana feno ny fitsaboana azy ireo ny mpitsabo eo anivon’ny CHU Pzaga Androva. Mananosarotra ny fitsaboana ilay renim-pianakaviana noho ny ratra mafy nahazo azy.
Tsiferana R.




