Miala amin’izay! Niroso tamin’ny fanalana ireo mpivarotra korontamby eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra eny Ampefiloha ny teo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry niaraka tamin’ny PPA Ampefiloha, omaly. Antony ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ny fanelingelenana mahazo ny mpampiasa lalana ary indrindra ny loto aterak’ireo mpivarotra korontamby. Mialoha izao, efa nisy ny fampahafantarana sy fanentanana nomena azy ireo vao tonga tamin’izao fanalana izao ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana. Nanaiky niala moramora ireto mpivarotra ireto taorian’ny fe-potoana nomena azy ireo.
Nanamafy ny polisy fa ankoatra ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, andraikitry ny polisy koa ny fanampiana ny vahoaka hitandro hatrany ny fanadiovana eny an-dalambe.
Jean Claude