TSELATRA

Nidiran’ny olon-dratsy ny tokantrano iray teny amin’ny Bibilava, fokontany Ambohipo,  boriborintany faharoa, omaly maraina. Voaroba ny vola 700 000 Ar niampy solosaina. Tsy nisy nahatsikaritra ny fidiran’ireo mpanao ratsy ny olona tao an-trano. Ahina ho tamin’ny 1 hatramin’ny 3 ora maraina no nanaovan’ireo mpangalatra io asa ratsy io.
Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny polisy tany Maintirano, afakomaly alina. Tratra namaky tranon’olona iray tao Andranovoribe, secteur I, izy io. Tonga teny an-toerana nisambotra azy ny polisy. Nikasa handositra izy vantany vao nahita ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana ary voatifitra ity farany.

Partager sur: