Orinasa malagasy 12: mandray anjara amin’ny fampisehoana BioFach any Nuremberg

12 ny orinasa malagasy mandray anjara amin’ny fampisehoana momba ny vokatry ny
fambolena « bio » amin’ny BioFach any Nuremberg, Alemaina ny 14 hatramin’ny 17 fe-
broary 2023.

Fampisehoana lehibe in­drindra momba ny sakafo, koa nohararaotin’ireo orinasa malagasy ireo ny nampahafantra vokatra avy aty Madagasikara, harena lehibe amin’io sehatra io. Vanim-potoana goavana ifaneraseran’ny mpamokatra, mpanamboatra, mpanjifa, mpamatsy, mpiara-miombon’antoka, mpitsidika tsotra.
Orinasa malagasy 12 mpikambana ao amin’ny sendika Synabio*, nitambatra tamin’ny tranoheva iray naneho ny harenan’i Madagasikara amin’izany «bio» izany. Fan­draisana anjara goavana izao ho an’ireo mpandrahara malagasy na volabe aza nivoaka.
«Tsy dia fantatra loatra i Madagasikara amin’ny voankazo maina, nefa izahay manana kalitao tsara sy betsaka amin’ny karazany maro. Ho ahy, zava-dehibe ny fandraisanay anjara mampahafantatra ireo vokatra amina orinasa sy mpanafatra. Ma­dagasikara afaka mamatsy vokatra tsara kalitao voamarina fa bio», hoy Rabe­nantoandro Hasina, mpanorina ny Lytcheeland. «Fifani­nanana amin’ny hafa koa izao, mba ho fantatra koa ny ataon’ny sasany”, hoy ihany izy.
Miroborobo ny sehatry ny «bio» eto Madagasikara, 80 % ny aondrana any ivelany, ka 60 % amin’ireny any Japana. Mitady lalam-barotra vaovao any Eoropa izao ny Lytchee­land. Afa-po tamin’ny fifampiresahana tamin’ireo mpanjifa ny mpandraharaha. Ilaina ny fandraisana anjara indroa, na intelo vao tena manao sonia fifanarahana, hoy izy ireo.
110 tapitrisa euros ny vola kirakiraina isan-taona, ary mitombo hatrany ny azo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Misy lalàna momba io vokatra io tamin’ny 2020, ho an’ny tsena anatiny sy ivelany, saingy 2023 izao tsy mbola nampiharina izany lalàna izany.

Ndrina

Synabio* : Syndicat malgache de l’agriculture biologique

Partager sur: