Afa-po amin’ny fivarotana «Vary Tsinjo amin’ny vidiny 650 Ar ny kilao sy Siramamy Tsinjo 3800 Ar ny kilao» ny mpanjifa manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny entana ilaina andavanandro na ny PPN. «Tena ilaina ny vary tsinjo ary tokony hotohizina. Tokony hofenoina ny tsena rehetra… Vetivety dia lany fa tadiavin’ny olona maro», hoy ireo mpaninjara nanontaniana, omaly.
Tamin’ny 15 febroary 2023, toy ny mahazatra, niala maraina teny amin’ny toerana fitahirizan’entan’ny SPM (State Procurement of Madagascar) teny Anosizato ireo fiara mpitatitra entana nitondra ny «Vary Tsinjo sy Siramamy Tsinjo» ka nanatitra izany teny amin’ireo mpivarotra mpaninjara teny amin’ny fokontany maromaro toa an’i Mahamasina, Namontana, Andohatapenaka, Ambohimanarina, Anosipatrana, Tsaramasay, Tanjombato, sns. Ampy ny tahiry satria tonga tsy tapaka ny vary avy any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, araka ny fanazavana nentin’ny Tale ara-barotry ny SPM, Andriantahiana Rivo. Aterina an-tanana eny amin’ny mpivarotra mpiara-miasa ireo vokatra ireo mba hialana amin’ny saram-pitaterana izay mety hampiakatra ny vidiny.
Mandray ny andraikitra tandrify azy koa ny minisitera misahana ny varotra sy ny fanjifana amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa (DPC), Foibem-pitondrana misahana ny varotra anatiny (DCI) ary ny Fitaleavam-paritra Analamanga ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Manara-maso ny fitsinjarana ny «Vary Tsinjo sy Siramamy Tsinjo» izy ireo no sady mijery ny tsy fanarahan-dalàna mety hiantraika any amin’ny mpanjifa. Tsy maintsy mametraka ny vidin’entana ny mpivarotra ahafahan’ny mpanjifa misafidy.
Marihina anefa fa tsy ho an’ny faritra Analamanga ihany no mila fiarovana ny mpanjifa amin’ny PPN, fa tokony hisy tsy tapaka koa any amin’ny faritra hafa. Ary tsy ny vary sy ny siramamy ihany no mila tsinjovina fa ny PPN amin’ny ankapobeny, toy ny menaka, savony.
Ndrina