Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miombon’antoka amin’ny Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM), andiany faha-12 sy ny ho an’ny Asa tanana (IHM), andiany fahatelo. Mikarakara azy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA). Nanome voninahitra ny fotoana ny filoha tale jeneralin’ny ONTM, Rasanjison Mirana.
Tsiahivina fa hatao mandritra ny 4 andro ity hetsika lehibe ity, ny 11 ka hatramin’ny 14 jona 2026 ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato. Anisan’ny mpanohana ofisialy ny Yas Business, hiantoka ny tambajotra internet rehetra mandritra ny fotoana.
Fifanarahana fanintelony ity notontosaina ity, ka miisa 18 ireo mpiara-miombon’antoka, anisany ny orinasa Ultima-media, ahitana ny gazety Taratra, Les Nouvelles, Bôjy ary ny radio Alliance FM 92. Raha atambatra, maherin’ny 50 ny mpiara-miombon’antoka manohana ny “ITM-IHM” ho an’ny taona 2026.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny ONTM, i Barivelo Danny, fa manodidina ny 30 000 ny mpitsidika andrasana amin’ity “ITM-IHM” andiany 2026 ity. Tanjona ny hisian’ny fizahantany sy ny asa tanana maharitra eto Madagasikara. Maherin’ny 500 ny tranoheva hita eny an-toerana. Hisy ny atao hoe « Eductours », ny fihaonana mivantana ho an’ny samy mpandraharaha « B2B », ny famelabelaran-kevitra, ny fivoriamben’ny vovonana « Iles vanilles », sns.
Njaka A.




