Lasan’ny olon-dratsy ny moto miisa roa nandritra ny fizaram-bola nataon’ny Fid tao Toamasina Renivohitra, afakomaly. Vao avy nahazo vola, olona iray norobain’ny jiolahy. Ankoatra io, nitondra moto, renim-pianakaviana iray norobain’ireo olon-dratsy ka lasa ny vola mitetina 280 000 Ar sy ny moto nentiny, tamin’ny 1 ora tolakandro. Tsy nisy afa-nanao na inona na inona ireo nanatri-maso noho ny tahotra an’ireo olon-dratsy. Nizotra nahazo ny lalana eo anelanelan’ny Lapan’ny Faritra sy ny sampandraharahan’ny fananantany ilay ramatoa tamin’io fotoana io. Olona iray hafa koa lasibatra tsy lavitry ny orinasa iray tao Ambodimanga, ny tolakandron’io alakamisy 21 mey io ihany, tamin’ny 2 ora sy sasany. Norobain’ireo tsy valahara teny ambony posy notaingenany ny renim-pianakaviana iray. Voaambana antsy ilay mpitondra posy. Miantso ny tomponandraikitra hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana ny mponina.
Sajo




