Nanomboka niverina indray ny fanaovana fisafoana iarahan’ny vahoaka sy ny Polisim-pirenena ao Mananjary, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hafahahana manamafy ny fandriampahalemana sy ny filaminana any an-toerana. Nidina ifotony nandritra izany, ny kaomisera foibe izay nanentana sy nanofana ireo vaomieran’ny fandriampahalemana avy amin’ny fokontany isan-karazany. Hiara-miasa ny fanaraha-maso sy fanomezam-baovao momba ireo mety hanakorontana filaminana.
Lehilahy miisa roa, voasambotry ny zandary avy etsy Itaosy tamin’ity herinandro ity. Tratra namaky tranon’olona iray teny an-toerana nandritra ny andro atoandro izy ireo. Mitondra karazany lakile maro be izy ireo ary andramany voahainy avokoa ny tranon’olona hitany. Navoakany avokoa ny fahitalavitra sy ny finday sy ny entana hafa. Tra-tehaky ny zandary izy ireo ary efa miatrika fanadihadiana.
Lehilahy iray nikasa hanolana ramatoa iray no voasambotry ny fokonolona tany Tanambao Ambatondrazaka, afakomaly alina tamin’ny 8 ora tany ho any. Nahantso vonjy ilay renim-pianakaviana iray, no saika niharan’ny fanolanana ka tonga maro ny fokonolona namonjy azy sy nanenjika ny olon-dratsy. Naterina eny amin’ny polisy ity farany taorian’izay. Teny an-dalana hamonjy fodiana izy no nokasain’ny lehilahy iray aolana.




