Nanatanteraka diabe ho an’ny fandriampahalemana na ny « Bongatsara Tour 2026 » ny depioten’Ifanadiana, Manantena Hajanirina Dinah.
Notanterahina tao amin’ny kaominina Tsaratanana izany ny 20 mey 2026. Nisy ny tatitra ny asa vitan’ny solombavambahoaka ao amin’ny fokontany Ambatoharanana, Ambodirafia Est, Ambohimasina, Befary, Ambalafatakana, ary Ambalafary. Nanatanteraka asa sosialy ho an’ny vahoaka, toy ny fora zaza faobe izy ireo. Manginy fotsiny ny fanohanana ny tanora mpanao fanatanjahantena. Mbola niampy tohana ho enti-miasa tanamaro izany. Nomena vary sy vola ny mponina. Tsy diso anjara ny raiamandreny izay notolorana lelavola ho solombodiakoho. Nahazo ny anjarany koa ny fikambanam-behivavy. Nisy ny fanentanana nataon’ny depiote sy ny ekipany, mahakasika ny toe-javamisy iainan’ny Malagasy ankehitriny. Nanamafy ny fahavonony hanampy ny mponina any amin’ny distrika izy satria mafy ny zava-misy eny ifotony izay zakain’ny mponina. Maro ny fahasahiranana sy fanamby izay nanomezany toky ny fifanohanana sy ny fitondrany ny anjara birikiny. Andiany voalohany no vita fa mbola hitohy ny hetsika tahaka izao any amin’ny kaominina hafa satria tsy misy tombo sy hala ny mponina ho an’ny solombavambahoaka.
r.r




