Alarobia Amboniloha: naolana, hita faty teo an-tokotanim-pasana i Diana

Nifampitadiavana nandritra ny alin’ny alahady 24 mey teo, hita faty i Diana kely, zazavavy 5 taona, tao amin’ny fokontany Alarobia Amboniloha, omaly maraina. Naolana sady nofatorana izy.

Notapenana tamin’ny saron-kenatra ny masony, ary tamin’ny pata­loha nanoavany ny vavan’i Raharisoa Diana (Diana kely), zazavavy hita faty tetsy amin’ny fokontany Alarobia Amboniloha, boriborintany fahadimy, omaly maraina. «Nilaza handeha hivalan-drano, tsy hita intsony i Diana, ny alahady hariva teo, tamin’ny 5 ora sy sasany », hoy ny fanazavan’ny reniny, Raha­simbolatiana Hoby. Nikaroka azy ny fianakaviany, nandritra ny alina, saingy tsy nahitam-bokany. «Nanomboka tamin’ ny 6 ora hariva hatramin’ny 1 ora maraina izahay nitady azy eran’ny tanàna », hoy ny fanazavan-dRahantamalala Léa, anabavin-drain’io zaza io. Nametraka fitarainana teny anivon’ny polisy ny fianakaviana, ny marain’io alatsinain’ny Pentekoty io. « Naharay antso avy amin’ny lehiben’ny fokontany anefa izahay fa misy zaza hita », hoy ny reniny. I Diana kely efa tsy nisy aina intsony sy tsy nisy saron-kenatra intsony io hita faty io. « Naolana izy ary simba tanteraka », hoy ny fanazavana.

Lehilahy mampiahiahy
Manoloana io vonoan’ olona sy fanolanana io, lehi­lahy iray tsy mipetraka eo an-tanàna, saingy mivezivezy matetika eo an-toerana, no ahiahian’ireo manodidina ho nahavanon-doza. «Nisy na­hita an’i Diana nentin’io lehi­lahy nanao « Capuchon » io, ny harivan’ny alahady tamin’ny 5 ora sy sasany », hoy ny re­niny. Efa mpanadala an’ilay zaza matetika io lehilahy io ary mpiara-misangy aminy, araka ny nambaran’ny fianakaviany. Miroso amin’ny fikarohana sy ny angom-baovao rehetra ny mpitandro filami­nana. Nentin’ny mpiasan’ny fahasalamana nihazo ny tranom-paty ny nofo mangatsiakan’i Diana kely, omaly. Ma­rihina, olona faharoa hita teny amin’ny fokontany Amboni­loha, tao anatin’ny iray volana, ity zazavavy ity.

Tsiferana R.

Partager sur: