Tetikasa « Baobab Network »: mponina 30 000 hahazo rano madio fisotro, any atsimo

Hanampy betsaka ny mponina any Atsimo ny tetikasa Baobao Network, izay vatsian’ny amerikanina vola. Mahe­rin’ny 30 000 ireo olona hisitraka rano madio fisotro amin’izany.

Manova tanteraka ny fiainana andavanandron’ny mponina ao Tsihombe ny tetikasa vaovao “Baobab Network”. Amin’izao fotoana, afaka mantsaka rano madio ao an-tanànany ihany ireo fianakaviana, amin’ny sarany 700 Ar isaky ny daba.
Io sarany mirary io no hiantohana ny fampandehanana sy ny fikojakojana ny fotodrafitrasa famatsian-drano mba hateza. Mitaky fikolokoloana ny fotodrafitrasa mba haharitra ary mila ny fiarovan’ ny mponina ny fampaharetana izany. Vokatry ny fanohanan’i Etazonia, ny Unicef Madagas­car sy ny Tatidrano social entreprise no nahafahana nanao ny tetikasa.
Teo aloha, tsy maintsy nanao dia an-tongotra mandritra ny ora maro ny mponina, ary nandoa 4 000 Ar vao na­hazo rano iray daba 20 litatra. Mitentina 7 800 tapitrisa Ar ny fanampiana amerikanina hanitarana ireo tetikasa momba ny rano sy ny fidiovana (Wash).
Mponina maherin’ny 30 000 izay tena sahirana ara-pivelomana no hisitraka izany.
Olona maherin’ny iray ta­pitrisa, any atsimon’ny Nosy, no miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo sy tsy fahampiana rano madio. Manomboka mi­vaha amin’ny ampahany izany olana izany amin’izao fampandehanana ny tetikasa “Bao­bab Network” izao.
Amin’ny alalan’ny fanohanana ireo tetikasa mamaha olana, tarihin’ny fitondrana eto Madagasikara sy ireo orinasa ao an-toerana, manampy ireo vondrom-piarahamonina ha­norina fotodrafitrasa sy rafitra ilainy ho amin’ny fahavitan-tenany maharitra i Etazonia. Mikendry ny hampihenana ny fiankinandohan’i Madagasi­kara amin’ny fanampiana ivelany sy hananany mpiara-miombon’antoka matanjaka koa no tanjona.

Tatiana A

Partager sur: