Mizara ny heviny mahakasika ny fikaonandoham-pirenena ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace. Nambarany teny Antanimena, ny faran’ny herinandro lasa teo, fa: “Tsy vitan’ny FFKM na ny minisitera irery, fa mila fifanomezan-tanana. Tokony hifanatona hatrany… ” .Nohamafisiny fa mila miara-miasa ny fiangonana sy ny minisitera. Andrasana ny fanombohana ofisialy ny fikaonandoham-pirenena izay voalaza fa hanomboka ny faha-3 jona ho avy izao.
Marihina fa mbola misy ny fanofanana ny eny anivon’ny Faritra hiatrehana an’izay. Efa manomana ny olony ny FFKM ny amin’ny fomba hitondrana ny raharaha, andaniny. Toy izay koa ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera misahana ny Fanavaozana, ankilany. « Na izany aza, tsy misy ahina ny amin’ny fanatanterahana. Ny zava-dehibe: samy mieriteritra avokoa ny rehetra hoe tena hatao ny fanovana ary tsy hifanilihana ny fikaonandoham-pirenena fa handraisan’ny rehetra anjara. », hoy hatrany izy.
”Ny olana hatramin’izay, ny fandravonana ny fehinkevitra tapaka avy any ifotony sy ny ataon’ny mpanao politika. Mieritreritra ny mpanao politika fa ny vahaolana ny aorian’ny fikaonandoham-pirenena: manao izay fomba rehetra hahazoana fahefana na mitsabaka ao anaty rafitra. Efa tsapan’ny FFKM izay. Aleo hangina sy hipetraka aloha ny mpanao politika handaminana ny firenena. Na izany aza, tsy maintsy misy mpanao politika ny firenena. Tsy maintsy misy fifanakalozan-kevitra sy fandaminana izany. ”, hoy ny fanambaran’ny Antoko MFM.
”Tokony hanangana komity iombonana ny FFKM. Ny komity iombonana izay handrafitra ny fanoratana ny hevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena, fa tsy ankinina amina rafitra iray ny fandravonan-kevitra”, hoy izy namarana ny fifampizarana.
R. Nd.




