Nivoaka ny arabe, fiara mpitatitra iray niharan-doza tao Ambatomainty, lalam-pirenena voalohany (RN1), afakomaly maraina tamin’ny 2 ora. Nivoaka ny arabe io fiara io noho ny fisorohan’ny mpamily ny loza. Nandeha mafy ny kamiao iray mpitatitra entana niala avy aty Antananarivo sady nisongona fiara teo alohany tao anatin’ny faritra mampidi-doza, araka ny loharanom-baovao. Tetsy ankilany, hiakatra hihazo ny Renivohitra, nifanena tampoka tamin’io kamiao nanao fisongonana io ny mpamilin’ilay taksiborosy. Mailo ny mpamilin’ity farany ka naviliny tany amin’ny ilany havanan’ny arabe ny fiara nentiny. Nizotra nanohy ny lalany hatrany anefa ilay kamiao. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanakanana an’io fiara io teny an-dalana ny mpitandro filaminana. Tsy nisy aina nafoy tamin’ireo mpandeha tao anatin’ilay taksiborosy. Tsiahivina, mila malina hatrany ireo mpampiasa lalana indrindra ny lalam-pirenena hisorohana ny loza.
Tsiferana R.




