Akon’ny fetin’ny Pantekoty : 10 ireo namoy ny ainy tao anatin’ny roa andro

Nahatratra 10 ireo olona namoy ny ainy nandritra ny fanakalazana ny roa andron’ny fetin’ny Pantekoty 2026 lasa teo, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Maty teo anivon’ny sampandraharaha fameloman’aina ny dimy tamin’ireo. Raha maty avy any ivelan’ny hopitaly kosa ny ambiny. Manodidina ny 27 ireo olona nizaha fahasalamana teny amin’ny sampandraharaha misahana ny fameloman’aina, nandritra io roa andro io. Olona roa narary mafy noho ny fibobohana zava-pisotro misy alikaola. Olona telo hafa nikasa hamono tena, ny alahadin’ny pantekoty. Olona dimy narary vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe. Ankoatra izay, nahatratra 229 ireo olona tonga nizaha fahasalamana teo anivon’ ny sampandraharaha vonjy taitra nandritra ny roa andron’­ ny fety. 37 tamin’izy ireo tsy maintsy naiditra hopitaly. Naratra sy narary vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny tena betsaka tamin’ireo, indrindra nandritra ny alahadin’ny pantekoty. Manodidina ny 22 ny taha. Loza vokatry ny ady madinika eny anivon’ny fiarahamonina no be indrindra, ny alatsinain’ny Pante­koty, satria 44 ny taha.
Etsy ankilany, enina ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, nandritra ireo roa andro ireo, raha ny tatitra avy amin’ny polisim-pirenena. Nitondra fiara tao anatin’ny fahamamoana ny mpamily tamin’ny tranga roa. Naharatrana olona valo sy nahafaty olona iray izany. Anisan’izany ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny fitaterana an-dalamby, niseho tetsy paraky, ny Alatsinain’ny Pantekoty lasa teo ka nahafatesana vehivavy iray sy naharatrana vehivavy iray hafa. Nanamafy ny eo anivon’ny Polisim-pirenena fa ilaina ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fitandremana eny an-dalana, hisorohana ny loza sy hiarovana ny aina sy ny mpampiasa lalana rehetra. Farany, olona 24 voasambotry ny polisy noho ny fandikan-dalàna samihafa. Teo ny vaky trano, sinto-ma­hery, halatra moto ary halatra tsotra.

Mino

Partager sur: