Rooted in Trust: miady amin’ny fiparitahan’ny tsaho momba ny Covid-19

Nampahafantarina omaly ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsaho sy ny vaovao diso mikasika ny valan’aretina Covid-19, notanterahin’ny tetikasa Miorim-paka amin’ny fahatokisana na ny Rooted in Trust (Rit 2.0).

Maro be ny karazana tsaho niely niteraka tsy fifampitokisana, tahotra sy ahiahy ary fisalasalana teny anivon’ny fiarahamonina mikasika ny valanaretina Covid-19 tao anatin’izay telo taona izay.
Anisan’izany ny nivoi­zan’ny tambajotra sosialy ny hoe mety ho famonoana faobe ataon’ny firenena matanjaka io aretina io sy ny hoe voka-dratsin’ny vaksiny….
Hisy, araka izany, ny fanazavan-tsaina entin’ny tetikasa Rooted in Trust (Rit 2.0) mandritra ny volana maromaro haparitaka amina haino vaky jery sy tambajotran-tserasera marolafy.
Hisy ny hira fanentanana sy tantara an’onjam-peo, slam, hatsikana aparitaka hisitrahan’ny rehetra ny vaovao mari-pototra mikasika ny aretina Covid-19.
Hidina ifotony koa ny ONG Ilontsera hanazava mivantana izany karazam-baovao tsara ho fantatra izany ho an’ireo tsy manana fahafahana mijery fahitalavitra sy FB.
Ampisaina koa ny gazety filazam-baovao, Maka Toky, vokarin’ny Internews, miandraikitra an-tsoratra mahakasika ny tsaho sy ny vaovao diso. Manao fanadihadiana ihany koa ary manome ny vaovao marim-pototra mikasika ny covi-19.
Anisan’ny asa vita ny fanofanana ny mpanao gazety tany Antsirabe sy Fianaran­tsoa ary Fort Dauphin. Natao ny fakan-kevitra tamin’ireo olona manana ny anjara toerany eny anivon’ny fiarahamonina. Nohenoina koa ny karazana tsaho miparitaka eny amn’ny fiarahamonina.
Ampiasaina koa ny filazam-baovao an-taratasy “Oay zany tsaho e!” mirakitra ny fanentanana sy torolalana mora raisina milaza ny vaovao marina.
Tohin’ny tetikasa ny dinika mivantana atao amin’ny mpiantsehatra izay tanterahina any Mananjary sy Am­bovombe izay distrika marefo amin’ny fiparitahan’ny tsaho.

Vonjy A.

Fandaharanasa maneran-tany miady amin’ny vaovao diso mikasika ny valanaretina ny tetikasa Rooted in Trust (Rit 2.0). Novolavolain’ny Internews sy ny ONG Ilontsera ary tohanan’ny USAID izay manohitra ny fihanaky ny tsaho sy ny vaovao diso.
Miara-miasa amin’ny haino vaky jery sy ny firaisamonim-pirenena ny fa­moahana ny vaovao marina tena ilain’ny olona. 23.000 ny karazana lainga nipari­taka mikasika ny covi-19 amin’ny karazan-teny 19 ka anisan’izany ny eto Mada­gasikara. Niohatra ny 80 tapitrisa ny olona voasa­han’ny vaovao diso mikasika izany.

Partager sur: