Mitohy ny fanadiovana ny toerana ampiasain’ny mpivarotra eny amin’ny lalana Petite Vitesse, afakomaly. Ankilany, mbola misy tsy manaiky ny ampahany amin’izy ireo.
Vao maraina, manao ny asany ireo mpitandro filaminana, ahitana ny ekipa avy ao amin’ny polisim-pirenena sy ny polisy monisipaly manala ireo mpivarotra mbola nivarotra teny amin’ny sisin-dalana. Tsy nanaiky izy ireo ka nitokona sy nampiasa kiririoka. Mitohy tamin’ny firesahana eo amin’ny polisim-pirenena sy solontenan’ny mpivarotra hitady ny marimaritra iraisana.
Misy fandaminana napetraka, efa nomena herinandro ny mpivarotra hiakatra ao anatin’ny Tsena Fihavanana (Petite Vitesse Tsaralalàna). Andraikitry ny polisy ny mitandro ny filaminana sy ny fifamoivoizana amin’ny lalana Gara Soarano sy ny manodidina rehefa tapaka fa tsy asiana olona mivarotra intsony ny sisin-dalana sy ny arabe. « Hampidirina ao anatin’ny Tsena Fihavanana ireo mpivarotra na mahazaka azy rehetra na tsia ny toerana. Aorian’izay vao mitady vahaolana raha hita fa tsy ampy ho an’ny mpivarotra rehetra », hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Corps urbain d’intervention (CUI), kaomisera Tahina Herilaza.
Manana ny heviny
Maro ny fangatahana naroson’ireo mpivarotra fa eo am-pandaminana ny mpiandraikitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Manana zo hivezivezy ny fiara sy ny mpandeha an-tongotra ka tsy azo ekena ny fanohizana ny fivarotana eny amin’ny sisin-dalana sy ny arabe. Tsy azo ivarotana intsony ny arabe andaniny roa sy ny sisin-dalana, manomboka eny amin’ny gara.
Taorian’ny fifampidinihana, nalamina hiditra amin’ny Tsena Fihavanana ao anatiny, Petite Vitesse, ireo mpivarotra. Manisa ireo toerana ahafahan’ireo mpivarotra miasa ny eo anivon’ny kaominina.
Nambaran’ireo mpivarotra nesorina fa kely tsy ampy hiasany ny toerana nomen’ny kaominina ny tsirairay ao anatin’ny tsena ifindrany. Ireo mpivarotra ao anatin’ny Petite Vitesse hatramin’izay kosa nilaza fa mety amin’izy ireo ny nialan’ireo mpivarotra teny amin’ny sisin-dalana satria manelingelina ny fidiran’ny mpanjifa ao anatin’ny tsena.
Vonjy




