Notanterahina teny amin’ny moske foiben-toeran’ny fikambanan’ny miozolomanina Ahmadiyya de Madagascar, eny Andavamamba Anatihazo, omaly, ny fetin’ny fakan-tahaka “Eid Al Adha”. Sorona nataon’i Abrahama, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hita ao amin’ny Coran. Araka ny fanazavan’ny misionera Ahmed Mujeeb, isan-taona ny fahatsiarovana ny fetin’ny fakan-tahaka ny nataon’i Abrahama izay nanaiky hanao sorona ny zanany noho ny fankatoavany an’Andriamanitra. Nosoloin’Andriamanitra ondry anefa izany satria tsapan’Andriamanitra ny fitiavan’i Abrahama ny zanany izay nekeny hatao sorona. Niainga avy amin’io finoan’i Abrahama io no notsarovana omaly tamin’ny fanaovana sorona biby (famonoana omby miisa 50), osy 200 isa kosa rahampitso, mba hankalazana ny fakan-tahaka tsara ny nataon’i Abrahama. Nozaraina ho an’ny mpiara-belona ny hena ary efa fanaon’ny Ahmadiyya maneran-tany ny fanamarihana toy izao, noho ity fankatoavan’i Abrahama an’ Andriamanitra ity. Nomarihin’ny misionera mpitarika ny Ahmadiyya hatrany fa taorian’ ny fivahinianana masina nataon’ny mpino silamo rehetra maneran-tany tany La Mecque, manao izao fahatsiarovana izao izy ireo mandritra ny telo andro. Fitiavana, tsy fankahalana, miasa manerana izao tontolo izao, fifankatiavana, fihavanana, manampy ny olona sahirana sy ny mahantra ary manameloka hatrany ny herisetra sy ny fampihorohoroana, ny foto-kevitra napetraky ny Ahmadiyya hatramin’izay.
Jean Claude




