Ialana amin’ny gaboraraka, noraisina ny fepetra fivezivezena eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nivoaka ny naoty laharana 06/26/UA/PR/CR mampahafantatra fa araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny oniversite (CSU) dia ampiharina eo anivon’ny faritry ny Oniversite, manomboka ny 1 jona, ny fitondrana karatra famantarana manokana. Voakasik’izany ny mpianatra, ny mpandraharaha ary ny mpampianatra.
Ireo ivontoeram-pampianarana izay mbola tsy nahavita ny karany dia asaina hampiasa vonjimaika ny karatra maha mpiasa na maha mpianatra araka ny sokajy misy azy avy.
Tsy maintsy salorana izany famantarana manokana izany rehefa miditra ny faritry ny Oniversite mandra-pivoaka ao.
Natao ho famantarana mandritra ny fivezivezena ao anatin’ny faritry ny Oniversite mihitsy ny karatra ka tsy tokony hatao ambanin-javatra.
Ireo tomponandraikitra isaky ny ivontoeram-pampianarana ihany koa dia nentanina manokana handray fepetra sy hiantoka ny fampiharana feno sy mahomby mahakasika ity fanapahan-kevitra ity.
Heverina ho toy ny tsy manan-draharaha ao amin’ny Oniversite, araka izany, ireo tsy manana karatra famantarana manokana. Natao ho arofanina, indrindra amin’ny mpirenireny sy ny gaboraraka, ny fepetra noraisina.
Tatiana A




