Nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana ilay mpampiasa sy ilay vehivavy mpiasa nahatsiaro tena ho nalana baraka tamin’ny alalan’ny fanapariahana vaovao tsy marina, ny alatsinain’ny Pantekoty teo. Nitsangantsangana teny ankalamanjana, nitondra sakafo, ilay ramatoa sy ny fianakaviany ary ilay mpanampy ao an-trano. «Efa avy nisakafo tamin’ny toeran-kafa izahay ary nisy ambiny ny pâte », hoy i Landy, ilay vehivavy mpanampy. Ity farany izay voalaza tamin’ny alalan’ilay ranty nataon’olona nanatri-maso teny amin’io toerana fitsangantsangana io fa tsy nomen’ilay mpampiasa sakafo. Ankoatra izay, nambaran’ilay olona nanao ranty fa nataon’ilay mpampiasa ho toy ny tsy olombelona io mpampiasa azy io. Tetsy ankilany, nanamafy ilay mpanampy fa misakafo ara-dalàna izy ary voahaja avokoa ny maha mpanampy azy ao amin’ilay mpampiasa. Mahatsiaro ho afa-baraka noho izany ilay mpanampy sy ireo mpampiasa azy ka antony nametrahan’izy ireo ny fitoriana. Marihina fa mananosarotra ny fikirakirana ny tambajotran-tserasera, indrindra ny facebook. Malalaka ny fanehoan-kevitra ka misy amin’ireo mpikirakira sasany no manao azy ho fitaovana hahazoana mpanaraka maro sy hisongadinana. Mety hitarika amin’ny fandikan-dalàna anefa izany raha tsy voafehy.
Tsiferana R.




