Miandahy miambavy ireo mpamaky trano: amidin’ireo jiolahy 60 000Ar ny ordinatera halatra

Ravan’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Vatomandry ireo tambajotran-jiolahy (ahitana vehivavy) mpamaky trano.

Niainga avy amin’ny fahatrarana jiolahy telo mpamaky trano ny 10 febroary 2023 teo no nahafahana nisambotra ireo namany. Araka ny fanazavan’ny polisy, maromaro ireo olona niharan’ny vaky trano ka nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Vatomandry. Natao ny fikarohana ka jiolahy iray tratra tamin’ny alalan’ny fampiasana finday halatra. Rehefa natao ny fanadihadiana azy, niaiky izy fa anisan’ireo jiolahy mpamaky trano ao an-tampon-tanànan’i Vatomandry. Taorian’ny fanadihadiana, nanambara sy nanonona ireo namany roa hafa izy. Ni­tantara ny fomba famakian’izy ireo trano sy ny toerana fametrahana ireo entana halatra ry zalahy. Hitan’ny polisy ary voamarina ny fisian’ny trano fanatobian’izy ireo ny entana halatra. Manaporofo izany rahateo ny fahitana entana halatra toy ny tele, ordinatera, finday ary entana hafa. Tohivakana ny fisamborana taorian’izay ka niafara tamin’ny fahatrarana ireto andian-jiolahy ireto. Ahitana vehivavy telo miara-miasa amin’ireto jiolahy ireto. Ny anjara asan’izy ireo, mitady olona hivarotana entana ha­latra ary mijery ihany koa ireo trano hovakiana. Nola­zain’izy ireo fa 60 000Ar ny vidin’ny ordinatera halatra raha 50 000Ar kosa ny tele.

Jean Claude

Partager sur: