Moto nidona tamin’ny sisin-dalana : Lehilahy iray maty, iray hafa torana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray teny Andraharo, afakomaly alina, tamin’ny 11 ora sy 50 minitra. Niseho teo amin’ny lalana Dr Raseta ny loza. Moto scooter marika Kymco Many izay notaingenana lehilahy roa no niharan-doza. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena, nandeha mafy izy ireo saingy tsy nahafehy ny familiana ka nidona tamin’ny balizy teny amin’ny sisin-dalana ankavia. Nianjera avy eny ambony moto ireo roa lahy ireo ary nidona sy nifatratra tamin’ny balizy. Vokatry ny hamafin’ny dona, torana tsy nahatsiaro tena ilay lehilahy 30 taona, namily ny kodiaran-droa. Maty tsy tra-drano kosa ny lehilahy iray 35 taona, nentiny. Nampandre ny polisim-pirenena mahakasika ny zava-nisy ny olon-tsotra nahita ny zava-nitranga. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony, nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana, ny polisy misahana ny fifamoivoizana. Nalefa notsaboina eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ilay lehilahy torana. Raha ny fantatra, avy any Ankazomanga, hihazo an’Ambohimanarina izy ireo no tra-doza. Tonga naka ny razana sy nanatitra izany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny avy amin’ny BMH. Entanina hatrany ny mpamily sy ny mpampiasa lalana rehetra mba hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny hafainganam-pandeha hisorohana ny loza tahaka izao.

Mino

Partager sur: