Nikomy hanao fanafihana: Jiolahy efatra lavon’ ny polisy

Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina Toamasina, omaly maraina tamin’ny 4 ora. Naharay loharanom-baovao marim-pototra, nandritra ny fisafoana nataony, ny polisim-pirenena fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanafika. Niatrana avy hatrany tamin’ny toerana voatondro, nifanehatra tamin’ireo tsy valahara, ny mpitandro filaminana. Na­moaka fitaovam-piadiana anefa ireo jiolahy efatra ary nanohitra ny polisy hisambotra azy. Nanapoaka basy ny polisy ka voa ny roa tamin’ireo mpanao ratsy. «Nanararaotra nandositra tao anatin’ny haizina ny roa lahy namany», hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny polisim-pirenena. Nosavain’ny manam-pahefana ny trano. Nahatrarana moto halatra sy fanalahidy maromaro. Nogiazana avokoa ireo entana ireo ary mitohy ny fikarohana ireo roa lahy nandositra. Ankoatra io, jiolahy roa hafa maty voatifitra ta­min’ny fisafoana nataon’ny polisy tao amin’ny Tetezana Mainty, Tanambao Verrerie, Toamasina, omaly maraina io, ihany. Sarona tao anatin’ny haizina ny jiolahy miisa efatra nitondra fitaovam-piadiana toy ny antsy lavalela, tamin’ny 2 ora maraina. Nambanan’ireo olon-dratsy ny polisy sady nanao tari-dositra izy ireo. Voatery nitifitra ny mpitandro filaminana ka voan’ny bala ny roa tamin’ireo jiolahy. Nanao tari-dositra ny roa lahy namany. Manoloana ny tranga tsy fandriampahalemana ao an-toerana, mitohy ny fisafoana alina sy ny hetsika manokana ataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena hisorohana ny asan-jiolahy.

Sajo

Partager sur: