Fanamby goavana ho an’i Madagasikara ny fisitrahana rano madio fisotro. Mbola ny 40% ny mponina no mahazo izany, raha ny tatitra nataon’ny minisitry ny Rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana, ny Dr Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia, omaly. Antony nahatonga ny minisitera nanatanteraka fivoriambe niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatra EAH/Wash. Sehatra ahafahan’ny roa tonta mifanakalo hevitra, manao ny tomban’ezaka, miara-mijery ny asa tokony hohatsaraina ary ny fanamby hapetraka mba hisitrahan’ny mponina ny rano. Tanjona ny hamaritana ny asa sy handrindrana ny andraikitry ny tsirairay. Nifantohana ihany koa ny fanamafisana ny rafitra fandrindrana nasionaly, ny hamantarana ireo tetikasa mila tohana sy tokony hampitomboina ary ny fampifanarahana ny fandaharanasa amin’ny Politika nasionaly momba ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana (Pneah) sy ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R). Napetraka nandritra ny dinika ny paikady iombonana amin’ny fanatanterahana ireo asa hotanterahina.
Henintsoa




