Taekwondo WT – « Poomsae Open Paris » : anisan’ireo nitsara ny fifaninanana i Nicolas Ragonz

Tontosa ny faran’ny herinandro teo tany Frantsa, ilay fifaninanana «French G1 Poomsae Open 2023 Paris», eo amin’ny taranja Taekwondo WT. Anisan’ireo mpitsara, i Nicolas Ragonz.

Miisa 270 ny mpandray anjara tamin’ity fifaninanana ity, ka na tsy nanana solontena aza isika teo amin’ny mpikatroka, notendren’ny mpikarakara hiandraikitra ny lafin’ny fitsarana kosa ilay Malagasy, Randriamiandrisoa Nicolas. Tsy nitsanga-menatra ary tena reharehan’ny malagasy ny fananana azy, satria mpitsara iraisam-pirenena miisa 30 no nantsoina tamin’ity, ka an­isan’izy ireo i Nicolas Ragonz. Marihina fa tsy mpitsara tao Frantsa ihany fa ny manerana an’i Eoropa rehetra mihitsy no niara-nisalahy tamin’ny fitsarana izao fifaninanana goavana izao. «Na­ha­fi­naritra ny fifaninanana», hoy izy, nandritra ny tafa nifanaovana taminy taorian’ilay hetsika. Nohamafisin-dRandriamiandrisoa Nicolas fa ambony ny lentan’ny fifaninanana satria ireo sangany sy tompondaka any Eoropa avokoa no tonga nandray anjara tamin’izany. Fotoana nifankahitana tamin’ireo mpi­tsara namany rehetra ihany koa, tamin’io, taorian’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany tany Korea.
Tsy ny olon-drehetra no mahazo fanasana manokana toy izao, fa natokana ho an’ireo olona manana ny diplaôma sy ny fahaiza-manao, hitsara fifaninanana lehibe. Tombony manokana ho an’ity mpitsara teratany malagasy ity, ny fahafehezana tanteraka ny taranja. Nandalovany avokoa ny dingana rehetra vao tonga tamin’izany sehatra izany izy. Mbola mpikatroka rahateo Ragonz ary tena mandalina manokana izany Taekwondo WT izany. Nambarany fa manampy tanteraka azy amin’ny fiatrehana ireo fifaninanana maro isan-karazany maneran-tany ny fitsarana fifaninanana matetika toy izao.

Mi.Raz

Partager sur: